POETA  MALAGASY

ikopa


TONONKALO NOTSONGAINA
TAKELAKA
Vavahady

Tapatapak'ahitra
Tononkalo
Sehatra
Lahatsoratra



HAIN-TENY



MBR

Fevrier 1954
Sao heverinao ahitra ririnina ary 'ty 'zaho
ka hitovy loko amin'ny tany,
na kitay fahavaratra
ka midonaka mahabongo maso?
- Fa masoandro be lohataona
ka na takona aza mihiratra foana,
tsy manan-kasosorana aman'olona.
 
Tsarovy fa izay mandehandeha ihany
no vakivaky tongotra...
Izay milingilingy no potraka,
ary izay mioty manta no leony.
 
Na nahilikilika tsy nojerena,
natositosika tsy noheverina;
fantambary tsy azo ariana,
fantambary tsy hay adinoina
Raha noana tany amin'izay naleha,
dia izy no zahàna maraina, tadiavin-kariva.
 
Fary manga lohataona aho rahavako,
voasary fahavaratra
izay tsy enina ahy ihany no mitofezaka.


poetaİ2009 - poetawebs@gmail.com
Raha misy mahatafintohina ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra anamboarana ny tsy mety